1 Thessalonians 4

1Ary farany, ry rahalahy, mampahery sy mananatra anareo izahay ao amin’ny Tompo Jesosy. Raha nahazo ireo fampianarana avy aminay ianareo momban’ny fomba tsy maintsy handehananareo sy hamalifalinareo an’Andriamanitra, ny amin’io lalana andehanana io ihany koa, dia mba anaovanareo mihoatra izany. 2Fa ianareo dia mahafantatra ireo fampianarana izay nomenay anareo tamin’ny alalan’i Jesosy Tompo.

3Fa izao no sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, mba hialanareo amin’ny fijangajangana, 4izay ahafantaran’ny tsirairay avy aminareo ny fomba ahazoana ny fanaky ny tenany ao amin’ny fahamasinana sy voninahitra, 5tsy amin’ny filan-dratsy (tahaka ireo Jentilisa izay tsy mahafantatra an’Andriamanitra). 6Aoka tsy hisy olona handika na hanaratsy ny rahalahiny amin’izany. Fa ny Tompo no mamaly amin’ireny zava-drehetra ireny, tahaka ny nampitandremanay mialoha sy nijoronay vavolombelona taminareo.

7Fa Andriamanitra tsy niantso anay ho amin’ny fahalotoana, fa amin’ny fahamasinana. 8Noho izany, izy izay mandà izany dia tsy mandà olona, fa Andriamanitra, izay nanome ny Fanahiny Masina ho anareo.

9Momban’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, tsy mila olona hafa ianareo hanoratra ho anareo, fa ianareo tenanareo dia nampianarin’Andriamanitra mba hifankatia. 10Ataonareo tokoa izany, ho an’ireo rahalahy rehetra izay eran’i Makedonia. Fa izahay dia mananatra anareo, ry rahalahy, mba hanao mihoatra. 11Mananatra anareo ihany koa izahay mba hanandrana hiaina am-pilaminana, hisaina ny raharahanareo manokana, ary hiasa amin’ny tananareo, araka ny nandidianay anareo, 12mba hanananareo fitondran-tena mendrika eo anatrehan’ireo tsy mino ary tsy hanan-java-mahory.

13Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny momba ireo izay nodimandry, mba tsy halahelovanareo tahaka ireo ambiny izay tsy manana antoka ny amin’ny ho avy. 14Fa raha mino isika fa Jesosy dia maty ary nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’Andriamanitra miaraka amin’i Jesosy ireo izay efa nodimandry tao aminy. 15Fa izao no lazainay aminareo tamin’ny tenin’ny Tompo, fa isika izay velona, izay sisa tavela amin’ny fahatongavan’ny Tompo, dia tsy hialoha tokoa ireo izay nodimandry.

16Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra. Ho avy miaraka amin’ny feo avo Izy, miaraka amin’ny feon’ny Arkanjely, ary miaraka amin’ny trompetran’Andriamanitra, ary ny maty ao amin’i Kristy no hitsangana voalohany. 17Avy eo isika izay velona, izay sisa tavela, hiaraka hiakatra amin’izy ireo eny amin’ny rahona ka hihaona amin’ny Tompo eny amin’ny habakabaka. Amin’izany dia hiaraka amin’ny Tompo mandrakariva isika. Noho izany, mifankahereza amin’ireo teny ireo.

18

Copyright information for PltULB